9 octobre 2026

METY MAHALIANA NY FIKAMBANANA MISY ANAO VE IZANY ?
Fikambanana (Association, ONG) miasa eo amin'ny sehatry ny famokarana (fambolena, fiompiana, jono) na/sy ny fiarovana ny tontolo iainana no ilaina amin'izany.
Araka izany dia manasa ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana izay liana hiditra ho mpikambana ato amin'ny ANAE mba :
- Hameno ny handefa taratasy filatsahana ato amin'ny rohy : na
- Handefa taratasy milaza ny faniriana ho mpikambana ao amin'ny ANAE ao amin'ny adiresy mailaka anaefoibe@gmail.com . Atao ao anatin'ny fangatahana ny anaran'ny fikambanana, ny taona niforonana, ny anaran'ny tomonandraikitra voalohany, ny sehatra iasana sy ny asa atao, ny toerana iasana (kaomina, faritra). Atao mipaingotra amin'ny fangatahina ny dika-mitovin'ny taratasy fanamarinana ny maha-fikambanana avy any amin'ny faritany na ny faritra niaviana misy ny laharana ofisialin'ny fikambanana.
Hisy ny sivana ataon'ny ANAE handraisana izay ho mpikambana.
Mirary soa ho antsika fikambanana rehetra.